<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><author>Pilgrims Songer</author>
<title>Avia, ry mangetaheta o FFPM254</title>
<lyrics>[V1]
 Avia, ry mangetaheta ô
 Ka aza dia mba mamoy fo,
 Fa indro misy rano velona
 Izay omena mba hamelona
 Anao mahantra sy variana
 Ry zanakondry very làlana.

[V2]
 Ny mofon'aina no atolony
 Anao manaiky mba ho olony
 Ny tenany no ho fihinana,
 Mba hahazoana fiainana ;
 Kanefa tsy mba hovidina anie,
 Fa tena fanomezan-dehibe.

[V3]
 Jesosy Tompo no nanolotra
 Ny rany masina ho avotra
 Izany raiso mba ho tanjaka
 Sy toky ho anao, ry reraka
 Ry mpivahiny sasatra ao
 am-po,
 Avia re, ka manaràna fo !</lyrics>
<hymn_number>254</hymn_number>
</song>